- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversRN7 : Taxi-brousse nivadika, mpandeha iray namoy ny ainy, roa naratra mafy

RN7 : Taxi-brousse nivadika, mpandeha iray namoy ny ainy, roa naratra mafy

Nandriaka ny rà ! Lozam-piarakodia mahatsiravina no niseho tamin’iny lalam-pirenena fahafito iny, omaly vao mangiran-dratsy teo amin’ny PK 298, eo amin’ny toerana antsoina hoe Mandritsara, kaominna Ambatofitorahana. Taxi-brousse iray handeha hitodi-doha aty an-drenivohitra no nivadika. Vokany : mpandeha iray tao anatin’izany fiara izany no namoy ny ainy, nisy roa hafa koa naratra mafy, nalefa notsaboina any amin’ny hôpitaly. Tokony ho tamin’ny iray ora maraina sy ny valo minitra tany ho any no niseho ny loza, raha ny fampitam-baovao avy amin’ny zandary tany an-toerana. Nandeha mafy dia mafy ity fiara mitondra ny marika « sprinter » ity. Nony tonga teo amin’io toerana voalaza etsy ambony anefa dia tsy tanan’ny mpamily intsony ny familiana raha tojo fiolanana ilay fiara. Nentin’ny herin’ny hafainganam-pandeha izany ka nihilana ary nivadika nony avy eo. Tsy vitan’izay fa mbola nikorisa tamin’ny ankavian-dalana ihany. Maty tsy tra-drano ny tovolahy iray izay vao 25 taona monja, izay voatery nosokirina tao ambanin’ireo korotam-by sy entana tao anaty fiara. Mpandeha roa kosa ny naratra mafy dia lehilahy iray 65 taona ary tovovavy iray 20 taona. Samy efa novonjena nentina tany amin’ny toeram-pitsaboana avokoa moa ireto naratra ireto. Ny zandary ao amin’ny borigadin’Ambatofitorahana kosa no misahana ny fanadihadiana. Fa aina roa ihany koa no indray nafoy tany amin’iny faritra Bongolava iny ny alatsinainy lasa teo, teo Alakamisy taloha, fokontany Bemahatazana, lalana mampitohy an’i Firavahana sy Mahitsy. Kamiô nitondra vary tapaka hisitra no namoa-doza ka izao niafara tamin’ny famoizana ain’olona iray. Nisy olona hafa roa naratra mafy ihany koa ka nalefa any amin’ny toeram-pitsaboana ao Firavahana

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici