Fiara mpitatitra iray no niharan’ny fanafihana ny alakamisy tokony ho tamin’ny misasakalina. Tratran’ny tifitra variraraka ilay fiara mpitatitra io talohan’ny hidirana an’Ambositra, avy any Ivato Centre. Raha ny vaovao voaray avy any an-toerana, nirefodrefotra ny basy ary nikendry ny hahavoa ny mapmily izany. Tsy voa anefa ity farany ary mbola afaka namily ny fiara nandositra. Vokatr’izany, tafasoaka soa aman-tsara ilay fiara io, ka tsy voasakan’ny jiolahy. Avoatra soa aman-tsara ny mpamily sy ny mpandeha ary tsy nisy ny naratra. Diam-bala maro no hita tamin’ny fiara tamin’izany. Nisy ny fampandrenesana ny zandary ka tonga teny an-toerana ireo nanao ny fisafoana saingy efa tsy hita ireo olon-dratsy. Raha ny fanazavana, efa manomboka mafana ny asa ratsy fanakan-dalana amin’ny lalam-pirenena fahafito iny, saingy tamin’ity nisy mihitsy ny fitifirana. Indrindra eo anelanelan’Ambositra ka hatrany amin’ny Camp Robin Ambohimahasoa iny. Voalazan’ny mpamily fa matetika vato sy hazo no apetrak’ireo jiolahy. Nisy tora-bato sns, fa tamin’ity efa tifitra mihitsy. Soa ihany fa tsy nahomby ary tafavoaka velona soa aman-tsara ny mpamily sy ny mpandeha. Efa manao ny fanadihadiana rehetra momba ity fanakan-dalana narahana tifitra ity ny zandary.
Yv Sam




