Tsy nanaiky mora foana ny hisintomana ny kitapo teny aminy ity mpandeha iray ka avy hatrany dia noleran’ireo olon-dratsy ny antsy ary naratra mafy.
Miverina indray ny lazan’Ambatofitorahana sy ny fanakan-dalana amin’iny lalam-pirenena fahafito iny? Omaly vao mangiran-dratsy, taxibrousse iray avy aty an-drenivohitra hihazo an’i Toliara no niharan’ny fanafihana, tamin’iny lalam-pirenena fahafito iny, teo amin’ny toerana antsoina hoe « stop », fokontany Ambohimiarina, kaominina Anjoma Nandihizana. Atsimo kelin’Ambatofitorahana, anelanelan’Anteza sy Camp Robin, raha ny fanazana azo. Vokany, entan’ireo mpandeha maromaro no lasa, niaraka tamin’ny vola aman’hetsiny teo no eo, araka ny fampitam-baovaon’ny zandary. Mpandeha iray no naratra vokatr’izay ary efa nahazo fitsaboana eny anivon’ny tobim-pahasalamana.
Araka ny vaovao azo avy any an-toerana dia manodidina ny tamin’ny telo ora maraina tany ho any no nitranga ity fanafihana fiara ity. Efa taty amin’ny faran’ny « caravane » ity fiara lasibatra ity, raha ny voalazan’ireo tompon’andraikitry ny filaminana any an-toerana, ary ankevitry ny efa niandrasan’izy ireo kendritohana. Karazan’ireny ragiragy, na hazofisaka feno fantsika ireny no nampiasan’ireo olon-dratsy nentiny nanakana fiara. Vao vaky ny kodiaranan’ity farany ka tafajanona izy dia nipoitra ireo olon-dratsy. « Niisa teo amin’ny fitolahy teo izy ireo, ary nirongo zava-maranitra » araka ny fanazavana hatrany. Niditra an-keriny tao anatin’ilay fiara ary nanendaka tsirairay ireo mpandeha. Nisy iray tamin’ireo mpandeha no tsy nanaiky mora foana sy niezaka nanohitra ka avy hatrany dia noleran’ireo olon-dratsy ny antsy. « Efa nahazo fitsaboana izy io, hoy ny tompon’andraikitry ny mpitandro filaminana ka efa tsy misy hatahorana ny ainy »
Taorian’ny nampalaza ratsy ny resaka fanakanan-dalana tamin’iny ampahan-dalan’ny RN7 iny dia efa nametrahana mpitandro filaminana miasa andro aman’alina teny an-toerana. Vao niseho araka izany ity tranga ity dia haingana dia haingana ny fandraisana fepetra. Nifanome tanana ireo zandary misahana ny faritra Amoron’i Mania sy Haute Matsiatra tamin’ny fikarohana haingana sy ny fanenjehana ireo olon-dratsy, niaraka tamin’ireo fokonolona. Raha ny vaovao azo, omaly, dia efa nisy iray tamin’ireo mpanafika no voasambotra. Efa ampahany tamin’ireo entan’ny mpandeha lasan’ireo olon-dratsy ihany koa no tafaverina tamin’ny tompony. Mbola mitohy kosa ny fanenjehana sy ny fikarohana ireo olon-dratsy hafa any an-toerana.
m.L



