- Publicité -
jeudi, octobre 22, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversRN8C-Betsiboka : Olona roa no maty, valo naratra mafy noho ny lozam-pifamoivoizana

RN8C-Betsiboka : Olona roa no maty, valo naratra mafy noho ny lozam-pifamoivoizana

Nisehoan’ny lozam-pifamoivoizana indray ny teny amin’ny  » RN8C,  » tao amin’ny renivohitry ny kaominina ambanivohitra Bemokotrà, distrikan’i Maevatanàna, faritra Betsiboka ny sabotsy faha 17 oktobra taona 2026 lasa teo iny, tokony ho tamin’ny 09 ora maraina mahery 40 minitra tany ho any. Kamiao iray lehibe hanatitra  » fil  » hoentina amatsy herinaratra ao Mahazomà tampon-tanàna, nitondra mpandeha 12, no tra-doza. Ny angom-baovao voaray kosa nok nahalalana fa nilatsaka tampoka nandritra ny familina fiara ny finday na ny telefaoninan’ilay mpamily. Variana nijery izany ity farany no nivily lalan-kafa nilatsaka tany anaty lavaka ny kamiao, ka tamin’izay indrindra ny nahatonga ny loza. Vokany: Ankizilahy kely sy lehilahy lehibe iray no maty, raha nahatratra 08 eo ny isan’ireo olona naratra mafy. Rehefa nahatsikaritra ny zava-niseho ny ben’ny tanànan’i Bemokotrà sy ny fokon’olona, dia niara-nifanome tanana tamin’ny fitondrana ny naratra teny amin’y tombim-pahasalamana.

Ratantely

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici