- Publicité -
dimanche, juin 15, 2025
AccueilFaits-DiversRN8C : Tapaka ny lalana mampitohy ny Bemokotrà sy Mahazomà

RN8C : Tapaka ny lalana mampitohy ny Bemokotrà sy Mahazomà

Noho ny tsy fandraisana andraikitra ataon’ny fitondram-panjakana dia mitaraina vokatry ny fahatapahan’ny lalam-pirenena 8 C, mampitohy an’i Bemokotrà sy Mahazomà nanomboka tamin’iny herinandro iny. Ao amin’ny toerana iray antsoina hoe  » Betaikilotra, 8km miala ny kaominina ambanivohitra Bemokotrà, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna, no misy io fahatapahana io vokatry ny ranobe noho ny rotsakorana tamin’ny fandalovan’ny rivodoza  » Eloise » farany teo. Voatery tsy miasa ireo fiara mpitatitra olona sy ny kamiao mitondra vato barababingo vokatr’izany. Ny môtô no manatanteraka ny asa fitateram-bahoaka amin’ny sarany dimy alina ariaray ny olona iray. Tsy maintsy miandry ny faharitan’ny rano raha avy ny orana vao afaka miampita ny kodiaran-droa.  » Efa nanambara ny hanamboatra ity lalam-pitateram-bahoaka ity ny mpitondra nifandimby saingy tsy hita izay fandraisana andraikitr’izy ireo. Mijaly noho ny fampanantenana poakaty ataon’izy ireo ny vahoaka, hoy ny mpamily fiara any an-toerana. Isan’ny olana iray goavana amin’ny fahasimban’ny fotodrafitrasa tahaka itony ny tsy fahampian’ny fikarakarana sy ny fanaraha-maso ataon’ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny. Ahiana ho tanàna haolo ny any Mahazomà raha tsy tafaverina ny fifamoivoizana ambony tanety, satria metsy tsy hisy mpitsidika intsony izany.

Ratantely

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici