Hotanterahana ny sabotsy sy ny alahady ho avy izao, ny Roa andron’ny Akany sosialy eny amin’ny Fjkm Rangaina. Toy ny fanao isan-taona, dia hisy hatrany ireo karazana hetsika entina hanamarihana izany, toy ireo karazan-dalao ara-panatanjahantena isan-karazany : ny baolina kitra sy ny baskety. Ary hofaranana amin’ny fotoam-bavaka lehibe eny an-toerana. Hisy ihany koa ireo varotra fampirantiana maro samihafa, izay ho hita eny an-toerana amin’io fotoana io. Tsy hadino amin’izany ny sakafo sy ny tsakitsaky azo isafidianana tsara. Ny vola azo amin’izany, araka ny fampahafantarana hatrany, dia harotsaka manontolo ho fanatsarana hatrany ny tranon’Andriamanitra. Tsy ho diso anjara ihany koa anefa, araka ny fampahafantaran’ireo tompon’andraikitra, ny maha asa sosialy ity fankalazana ity. Tafiditra ao anatin’izany ny fizaham-pahasalamana maimaimpoana izay ataon’ny mpitsabo matihanina amin’ireo roa andro ireo. Hisy ihany koa ny fizahana sy fitsaboana maso maimaimpoana amin’io fotoana io, ary ny fizarana solomaso ho an’ireo mila izany. Araka izany, dia manentana ny rehetra, ireo zanaka am-pielezana sy ireo rehetra nandray fahasoavana tao amin’ity fiangonana ity, ny tompon’andraikitra mba ho tonga marobe eny Rangaina, amin’izany fankalazana izany. Fa ankoatr’izay, dia fantatra fa hatao ny alahady heriny ity fankalàzana ity, izany hoe ny alahady 11 novambra ho avy izao ny fivoriana isan-taona ataon’ireo zanaka am-pielezan’ny fiangonana Fjkm Rangaina Fihobiana, ao amin’ny Epp Ankadivato. Samia mifampilaza, hoy ny tompon’andraikitra.
m.L