- Publicité SW45 -
lundi, juin 17, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversRoa lahy mitonona ho « Daesh », nosamborina : Misy mitady hanindry...

Roa lahy mitonona ho « Daesh », nosamborina : Misy mitady hanindry ireo mpanao famotorana

Ny herinandro lasa teo no nahasamboran’ny pôlisy misahana ny heloka bevava etsy Anosy, ny roa lahy, izay voarohirohy tamina resaka fandrahonana ho faty olona maromaro, tamin’ny alàlan’ny hafatra amina finday. Tsy vitan’izay fa, mbola mitonona ho mpikambana ao amin’ilay vondrona mpampihorohoro eran-tany « Daesh » izy ireo, araka ny fampitam-baovao azo. Nandritra ny famotorana ireto olona ireto anefa, dia voalaza araka ny loharanom-baovao manakaiky ireto mpanao fanadihadiana, fa misy olona, mikasa sy miezaka ny manao fanelanelanana ary manindry azy ireo ny amin’ny tokony hanajanonana izany. Na izany aza anefa, dia nitohy hatramin’ny farany ny fanadihadiana ireto olona mitonona ho mpampihorohoro ireto ary efa nentina teny anivon’ny Fampanoavana ny raharaha. Taorian’ny fihenoan’ireo mpitsara mpanao famotorana azy ireo, dia nadoboka avy hatrany teny Antanimora izy roalahy, mandra-piandry ny fotoam-pitsaràna. Fa tetsy andanin’izay, dia tsy vitsy ireo nifantoka manokana tamin’ity tranga ity, ary nametra-panontaniana ny amin’ny hoe tena mpikambana marina ao amin’ny « daesh » tokoa ve izy roalahy ireto sa hanihany entina handrahonana ireo olona lasibatra fotsiny. Somary mahagaga tokoa mantsy, izay hoe fisiana olona nikasa hanelanelana ao anatin’ny famotorana izay. Na izany na tsy izany anefa aloha, dia fantatra fa teratany malagasy izy ireo, saingy ny iray, araka ny loharanom-baovao manakaiky ireo mpanao famotorana, no manana fifandraisana amina sampan-draharaha iraisam-pirenena. Tsy mandeha irery ihany koa anefa izy ireo, fa anatina tambajotra izay manaparitaka ity hafatra fandrahonana ho faty ity. Ary ireo olona manana ny maha izy azy sy mpanam-bola no tena voatily tamin’izany. Saingy raha ny fanazavana azo, dia tsy mbola nisy tanteraka ny teti-dratsin’izy ireo. Vao nahazo ny hafatra mantsy ireo olona, dia tonga nametraka fitarainana avy hatrany tany amin’ny pôlisy ary izao nahatrarana azy roa lahy ireto izao. Araka izany dia mbola mitohy ny fanadihadiana hikarohana ny naman’izy ireo, fa indrindra ihany koa ny mahakasika ilay resaka firaisan’izy ireo tendro amin’ilay vondrona mpampihorohoro eran-tany. Nanambara mantsy ireo mpitandro filaminana misahana ny raharaha, fa tsy manao ambanin-javatra velively ny tranga tahaka izao.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité Google Ads.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici