- Publicité SW45 -
lundi, mai 20, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbohibao Antehiroka : Roalahy tra-tehaka teo am-panosehana môtô halatra

Ambohibao Antehiroka : Roalahy tra-tehaka teo am-panosehana môtô halatra

Izy efa-dahy niaraka tamin’ilay môtô halatra

Tsy nampoizin’izy roalahy tokoa ny hifanena tamin’ireo andrimasom-pokonolona, raha mba  efa somokitra niafina, tera-tsemboka teo am-panosehana ity môtô halatra izy ireo. Tsy afa-niala fa dia noraisim-potsiny na dia efa niezaka ny nandainga faran’izay tratra aza !

Tokony ho tamin’ny roa maraina tany ho any tokoa mantsy, raha teo am-panaovana fisafoana toy ny mahazatra ireo andrimasom-pokonolona, tetsy Andranoro, kaominina Ambohibao Antehiroka, no nahita azy roalahy ireto, ny faran’ny herinandro lasa teo. Hafahafa fihetsika ary tena nampiahiahy tokoa satria amin’izany ora izany indrindra no tena manjaka ny jiolahy. Nosakanana avy hatrany izy ireo ary nanontaniana. Tsy nahavaly ireo fanontaniana sy ny antony nanosehan’izy ireo ilay môtô, no sady mbola niankahana. Nandray fepetra avy hatrany ireo andrimasom-pokonolona hitondra azy ireo tany amin’ny zandary, niaraka tamin’ilay kodiaran-droa. Namerina nanao famotorana ireo zandary, saingy nolazain’izy roalahy indray fa hoe « avy nirevy izy ireo ary very fanalahidy niaraka tamin’ny aroloha ». Rehefa navadibadika teo anefa ny fanontaniana dia nibaradaka ihany nony farany fa avy nangalatra môtô izy roalahy. Nisy naman’izy ireo niaraka nanao ny « opération » saingy ry zalahy aloha no tratra. Nihetsika avy hatrany ny zandary taorian’izay ary nanao ny fikarohana ireo namany. Tsy ela dia fantatra sy nosamborina moa ireto farany. Tafakatra efatra araka izany ireo olona voasambotra noho izay resaka halatra môtô izay. Efa notanana natao famotorana avokoa moa ry zalahy ireto ary efa natolotra ny Fampanoavana. Mbola mitohy kosa ny fikarohana. Inoana mantsy fa tsy maintsy mbola misy hafa any ambadika any, satria mazàna ireo mpangalatra môtô dia manana tambazotra iray foana. Misy ireo mpangalatra, ireo mpanova an’ilay môtô halatra, ireo mpanadio (mpamorona taratasy hosoka) ary ny mpivarotra. 

Tato ho ato izay dia saika resaka môtô foana no re tetsy sy teroa, indrindra fa « scooter ». Raha tsy lozam-pifamoivoizana mahatsiravina dia halatra môtô. Efa tena mitobaka loatra mihitsy ity karazam-pitaterana iray ity eto amintsika, indrindra fa ny eto an-drenivohitra. Tsy mahagaga raha be mpitsiriritra izy ireny, satria tsy dia tsy vola kely ihany koa ny vidiny fa misy mitovy vidy amin’ny fiara iray mihitsy. Etsy andanin’izay ihany koa, maro ireo mpitondra azy ireo no tsy mahafehy akory an’ireny fitaovana ireny, ary mihitsy aza ny tsy manana fahazoan-dalana hitondra sy ny tsy mahafehy ny lalàn’ny fifamoivoizana akory, kanefa dia misetrasetra eny an-dalana. Tsy mahagaga ihany koa raha betsaka ny loza. Fotoana angamba izao, ho an’ireo tompon’andraikitra isan-tokony, handraisana fepetra, hijerena akaiky ny mahakasika ny kodiaran-droa, hisorohana ireo mety ho karazana loza aterak’izany.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici