
Mafy ny fifandonana teo amin’ny moto sy fiara kely iray teny amin’ny lalana Rocade mihazo ny Akoor Digue iny ny asabotsy teo. Niforitra mihitsy ny lohan’ilay fiara, raha nipitika lavitra kosa ilay moto izay nitondra lehilahy roa. Voa mafy ireto farany, ary torana tsy nahatsiaro tena ny iray. Nentina hainga teny amin’ny hopitaly izy roa lahy ireo. Raha ny filazan’ny nahita maso ity loza ity, vokatry ny fandehanana mafy teo amin’ny roa tonta no nahatonga ny loza. Ny iray saika hivily hiditra ao amin’ny Akoor no sendra ny faharoa nanitsy tany aminy ka tsy tafala intsony. Ireo roa lahy teo ambony moto no tena voa mafy tamin’ity lozam-pifamoivoizana ity. Potika tsy nisy noraisina ny moto nandehanan’izy ireo. Na ilay fiara ihany koa aza, potika ny lohany, saingy tsy nisy natahorana ny mpandeha tao anatiny. Tonga teny an-toerana ny mpitandro filaminana nanao ny fanadihadiana ity loza ity, ary nanampy tamin’ny fitondrana ireo naratra tany amin’ny hopitaly.
Iny lalana amin’ny Rocade, digue Andohatapenaka ary lalam-baovao Tsarasaotra matetika tena isehoana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina. Efa maro ny aina nafoy tamin’izany, ary anisan’ny tena lasibatra ny moto. Ireo mpitondra moto matetika no tena voa mafy amin’izany, ary mitondra faisana. Efa msy ny hetsika ataon’ny mpitandro filaminana manoloana ny fampanarahan-dalàna ny moto eto amintsika. Efa maro ny fanentanana natao tamin’izany ka anjaran’ny rehetra ny manaraka ny fepetra, mba hisorohana ny loza miseho lava. Tsikaritra fa efa maro ihany ny moto manara-dalàna na eo amin’ny fanamiana entina mitondra, ny fametrahana aroloha, ny fitaratra eo amin’ny moto sns. Manampy betsaka amin’ny fisorohana ny loza ireny, miampy ny fifehezan-tena amin’ny familiana.
Yv Sam