- Publicité SW45 -
lundi, juin 17, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversRocade Iarivo : Efa tongan'ny bekorontana sahady

Rocade Iarivo : Efa tongan’ny bekorontana sahady

Ao ny mivarotra toaka sy hani-masaka, ao ny mpirevy. Manginy fotsiny ny mivalan-drano etsy sy eroa. Izany sahady no tsikaritra, fotoana vitsy taorian’ny nitokanana ny lalam-baovao Rocade-Est. Tena tsy ela dia efa niova ny sarin’ny fotodrafitrasa izay azo lazaina ho tsara indrindra eto amin’ny Nosy. Mbola isan’ny tsikaritra koa ny tsy fahaizan’ny mpandeha bisikileta mampiasa ilay lalàna mikodàna. Na dia efa misy aza ny làlana natokana ho an’izany dia mbola nisisika niditra eny amin’ny làlan’ny fiara ihany ny bisikileta. Toe-javatra izay mety hitera-doza tanteraka. Maro ny efa kivy ary nahita fa vetivety dia ho simba toy ny sasany ihany (Anosibe, 67ha sns) ity fotodrafitrasa ity noho ny fahatongavan’ireo kely saina tsy manana kolontsaina mba hikoja izany fananana iombonana izany. Azo heverina fa nipaka tany amin’ny mpitandro ny filaminana ny antsoantso sy ny fisintomana lakolosy tamin’ny tambajotra sosialy. Nisy bemidina nataon’ny polisy avy etsy Analamahitsy izay nanao fanentanana aloha, mialoha ny fampiharana ny sazy. Nalefan’ireo nody ny mpivarotra tetsy sy teroa. Nasaina nandeha amin’ny lalany ny bisikileta. Momba io dia nahitàna fahatezerana ireo mpandeha bisikileta ka nobatain’ny tompony tsirairay avy an-damosina indray ireo fitaovana raha tokony ho nentina amin’ny lalany. Izay izany no mba nanamarihan’ireo olona ny tsy fifaliany, kanefa ny ain’izy ireo no tsinjovina ary nanentanana azy. Isan’ny fepetra noraisina koa ny fanalàna ireo fiara mipetraka amoron-dàlana mivarotra sy mirevy. Torak’izany ny fanentanana ireo mpandeha an-tongotra mba tsy hanao maloto sy hanary fako eny rehetra eny. Tsy misy afa-tsy ny fanasaziana amin’izay angamba ny fomba hiarovana ny fananana iombonana. Tapitra izay ny fanentanana…

D.R

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité Google Ads.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

2 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici