Nisy fiara nandalo ary nanary menaka. Vokatr’izany dia nalama tanteraka ny làlana nizotra tamin’ny Rocade Est mandalo eo Ambohimahitsy ary mizotra eny Bypass Amoronakona. Omaly maraina ao anatin’ny tena mifamoivoy ny fiara no nitranga ny olana. Vokatr’izany dia fiara iray no nivoaka ny làlana ary nidona tamin’ny tamboho sisiny ary potika tanteraka ny lohany. Mba tsy nahafaty olona na izany aza ilay lozam-pifamoivoizana. Ny olona teo an-toerana sy nahita no nampitandrina ny mpampiasa làlana hafa mba tsy hidiran-doza. Na izany aza mbola nisy kodiaran-droa nisosa ihany. Fanindroany izay tao anatin’ny iray volana no nisy tranga mitovy amin’izao. Tetsy Ankorondrano koa dia nanimba zavatr’olona maro, indrindra kodiaran-droa ny fisian’ny menaka very teny an-dàlana. Nisosa tsirairay ary tao anatin’ny adiny iray monja dia efa hoe 40 ny moto nianjera. Voatery narindra haingana ny fifamoivoizana mandram-panadiovana tanteraka ny làlana. Any ivelany dia raha vao misokatra fotsiny ny « capot » dia efa voasazy izay. Tsy afaka mijanona ela koa ny fiara simba fa miantso mpibata avy hatrany. Tsy misangy amin’izay mety hiteraka fitohanan’ny fifamoivoizana ny firenen-dehibe. Any amin’ny fitsirihina ara-teknika dia efa jerena ambony ambany ary hatrany anatiny ny fiara mba tsy hisy olana mandritry ny fotoana ela. Eto amintsika dia any dia efa miainga ny kolikoly hany ka na fiara efa « mirodana » aza dia mbola mahazo alàlana afaka mivezivezy ihany. Vokatr’izany dia lasa miara-mizaka ny vokany ny mpampiasa làlana rehetra ary mitera-doza matetika azy izany.
D.R




