- Publicité -
mardi, septembre 8, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversRocade Tsarasaotra : Mampanahy ireo « casseur de route »

Rocade Tsarasaotra : Mampanahy ireo « casseur de route »

Fametrahana dongona ny vahaolana noraisin’ny tompon’andraikitra rehefa nitranga ny lozam-pifamoivoizana nifanesy izay nahafaty olona teny an-toerana. Mazava hoazy fa ao anaty lala-mahitsy tanteraka no nametrahana izany. Ny olana dia efa nisy betsaka sahady ny fitarainana nandritry ny fanamboarana azy satria efa nipetraka ny dongona kanefa tsy nisy marika. Tao anatin’ny haizina dia efa nifandimby nisaoty teo indray ny fiara sy ny kodiaran-droa noho izany. Ny tsikaritra indray dia efa mihazakazaka amin’ny fametrahana marika amin’ny tany (signal au sol) saingy ampy ve izany ? Maizina mantsy ny toerana ka raha tsy misy andrin-jiro manokana manazava ny dongona dia mbola ho zava-doza indray no hiseho. Fiara mandeha 100km isan’ora amin’ny ankapobeny amin’ny lala-mahitsy no mizotra eo. Iny no hajanon’ny dongona tampoka. Azo sary an-tsaina arak’izany ny mety ho vokany. Mila mifandraika amin’izany ny fotodrafitrasa mba tsy ho lasa loza manambana ho an’ny mpampiasa làlana.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici