Tsy vitan’ny nandona olona ka nahafaty izany fa mbola nitsoaka koa. Ny alin’ny alatsinainy teo no nitranga ny lozam-pifamoivoizana. Nahafaty olona indray izany ny Rocade Tsarasaotra izay isan-kerinandro dia lasa mahazatra ny olona ny fisian’izany. Efa nasiana mpitandro ny filaminana, efa nasiana dongona fampihenana hafainganam-pandeha ary efa nasiana ihany koa takela-by isan-karazany izay mampitandrina. Izany rehetra izany anefa dia toa tsy nanova zavatra betsaka. Mbola mitohy mandriaka ihany ny rà eny amin’iny lalana mikodàna iny. Dikany dia ny mpamily fiara sasany eto an-drenivohitra koa no mila mandini-tena satria tsy voafehin’izy ireo ny lalànan’ny fifamoivoizana. Tsy hoe akory rehefa lalana mikodàna dia manampitra ny herin’ny fiara no dikan’izay fa kosa misy takela-by manome toromarika ny amin’ny tokony hafainganam-pandeha. Mila hamafisina ary tena hampiharina ny lalànan’ny fifamoivoizana eto amintsika satria mamono olona be loatra.
D.R




