- Publicité -
mardi, septembre 8, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversRocade Tsarasaotra : Nitokona ny olona, tapaka ny làlana

Rocade Tsarasaotra : Nitokona ny olona, tapaka ny làlana

Raikitra ny fandorana kodiarana sy ny sakana nataon’olombelona. Tapaka tanteraka ny làlana nandritry ny andim-pamataranandro roa teo ny tapakandro maraina. Vokatr’izany dia toham-boivoy be nisy teo an-toerana. Niverina an-dàlana ny rehetra, na ny mandroso na ny miverina. Izany anefa dia ao anatin’ny fotoana famonjena ny asa sy andraikitra isan-karazany. Kivy ny olona saingy tsy nisy azo natao manoloana ireo fokonolona marobe. Ny fitakian’ireo mpitokona dia mba hametrahana tetezana fiampitàn’ny mponina. Ny antony mantsy dia misy lozam-pifamoivoizana hatrany eny an-toerana saika isan-kerinandro ary mahavoa ireo mponina eo amin’ny manodidina. Nirava ihany ny sakana rehefa tonga ny mpitandro ny filaminana. Na izany aza anefa dia nilaza ny mpitokona fa tsy hijanona ny fitakian’izy ireo raha tsy misy ny fandraisana andraikitra avy amin’ny fanjakàna. Iny toerana iny no isan’ny betsaka lozam-pifamoivoizana indrindra eto an-drenivohitra ary efa betsaka izay namoy ny ainy teo izay. Ny tena olana aza dia tsy fantatra akory ny tompon’andraikitra noho ny tsy fisian’ny fitaovana afaka manara-maso ny fifamoivoizana. Raha sendra alina, amin’ny tsy fisian’ny olona mandehandeha dia efa naman’ny tsy misy tohiny ny raharaha fa dia matimaty foana ny olona. Tsara raha mba asiana « camera de surveillance », na dia farafaharatsiny eo amin’ny fidirana eo Soavimasoandro sy ny fifaranan’ny Rocade etsy Ivato fotsiny aza aloha. Eo koa ny sampanana mandeha Ambohimanga. Izay dia efa mety manova zavatra satria tsy maintsy hita amin’ireo ny fiara mifamezivezy ary mitandrina hoazy ny mpamily ka hampihena ny lozam-pifamoivoizana.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici