- Publicité -
dimanche, septembre 6, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversRond point Ankazomanga : Tra-tehaka ireo mpanendaka mpitondra môtô

Rond point Ankazomanga : Tra-tehaka ireo mpanendaka mpitondra môtô

Amin’ny 11 ora alina. Anisan’ny faritra tsy azo andehanana intsony iny Ankazomanga sy ny manodidina iny, indrindra fa ho an’ireo mpitondra môtô sy ireo mpiasa sendra tratra alina, noho ny afitsok’ireo tontakely. Ireo farany izay tsy menatra mihitsy mampiasa ny antsy lava lela eny aminy. Ny alin’ny sabotsy lasa teo, mpandeha an-tongotra iray no lasibatr’ireo tontakely, izay tsy afa-nanoatra fa dia nanaiky izay notenenin’izy ireo, teo amin’ny Rond point Ankazomanga. Afa-nandositra ity farany ary niantso vonjy tamin’ny pôlisy, izay nanao fisafoana tsy lavitra teo. Tamin’io ihany dia nidina teny an-toerana ireo mpitandro filaminana, ka indreo eo tokoa izy telolahy, mbola miandry indray izay « haza » manaraka. Nosamborina avy hatrany.  « 29 taona ny zokiny indrindra ary 21 taona ny zandriny indrindra (…). Mbola tratra tany aminy ilay fitaovam-piadiana, antsy lava lela fentin’izy ireo manao ny asa ratsiny », hoy ny fampitam-baovao azo. Tamin’io ihany koa dia nentina notazomina ho amin’ny famotorana tany amin’ny biraon’ny PPA Antaniavo ireto tontakely ireto. Araka ny tatitra azo dia voalaza fa anisan’ireo mpanendaka nampitondra faisana olona maro, mpiasa alina sy mpitondra môtô, izay sahy misedra izany lalana izany izy ireto. Raha tsy misy moa ny fiovàna dia anio no atolotra eny any amin’ny Fampanoavana ry zalahy ireto, saingy ny fanadihadiana sy ny fikarohana izay mety ho namany kosa dia mbola mitohy hatrany, raha ny filazan’ny pôlisy.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici