Tato anatin’ny fotoana vitsy izay dia efa tsy voaisa amin’ny ratsan-tanana intsony ny lozam-pifamoivoizana nitranga teo amin’io « rond point» teo Ankorondrano io.
Potika tanteraka tsy nisy azo noraisina ilay fiara kely marika Peugeot 305, voadonana fiarabe, Mercedes Benz 911, nitondra fasika tetsy amin’ny rond point Ankorondrano. Mafy dia mafy tokoa ny fifandonana satria dia nikainkona andaniny roa ilay fiara kely. Vao maika moa fa voapotsitra teo anelanelana andrin-jiro iray teny an-toerana sy ilay kamiao nandona azy. Olona iray no fantatra fa naratra mafy teny an-toerana : ny mpamilin’ilay fiara kely. Fantatra kosa fa olona efatra no tao anatin’io fiara voadona io saingy tsy dia nisy naninona avokoa izy ireo, raha ny fitantaran’ireo nanatri-maso teny an-toerana. Raha ny zava-nitranga : niditra « rond point » handeha hizotra ho any Ankazomanga any ilay fiarabe no nanapaka tampoka ilay fiara kely izay, handeha hihazo an’Antanimena, ary tsy tana intsony ny fifandonana. « Raha ny tokony ho izy dia « priorité » izahay satria niditra « rond point » ka izay no tsy nijanonanay sy tsy nahatafajanona. Izy anefa mbola nisisika nandeha ihany » hoy ny fitantaran’ny mpanampin’ny mpamilin’ilay fiarabe, mbola hita teny an-toerana. Tsy nahazoana fanazavàna kosa ny ankilany. Ilay mpamilin’ilay kamiao dia voalaza fa hoe nandeha nitondra ilay mpamilin’ilay fiara voadona tany amin’ny toeram-pitsaboana.
Vao mainka nampikatso tanteraka ny fifamoivoizana teny an-toerana, izay efa fitohanana sesilany sy nampijaly ireo mpitondra fiara efa andro maromaro izay ity loza ity. Heverina fa mety ho izay fitohana lavareny izay no nahasorena ilay fiara kely ka tsy niraharahiana intsony ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana. Saingy izany moa tsy ho fantatra raha tsy aorian’ny fanadihadiana nataon’ireo mpitandro filaminana tonga teny an-toerana sy niezaka nandamina ny fifamoivoizana.
m.L