- Publicité -
lundi, mai 19, 2025
AccueilFaits-DiversMarovoay : Rongony 138 kilao saron’ny zandary

Marovoay : Rongony 138 kilao saron’ny zandary

Nokasaina hampiakarina aty an-drenivohitra ve sa haparitaka aiza ity zava-mahadomelina ireto ? Ny faran’ny herinandro teo, rongony teo amin’ny valo gony teo, izay milanja 138 kilao no saron’ny zandary tao Tanambao Andranolava, tao Marovoay Banlieue. Raha ny fampitam-baovao azo dia nandritra ny fisafoana nataon’izy ireo tao an-toerana, teo anelanelan’Antafiambazaha sy Maevarano, tokony ho tamin’ny sivy ora alina tany ho any no nahatsikaritra ireto andian-dehilahy maromaro nilonjehitra gony. Hafahafa fihetsika sy nampiahiahy ka nanatonan’ireo mpitandro filaminana avy hatrany. Vantany vao nahita ireto farany anefa ireo olona nampiahiahy dia vaky nitsoaka, namela ireo entan’izy ireo teo. Rehefa nojerena ny tao anatiny dia hita fa rongony maina efa vonon-kamidy. Nentina nogiazana avy hatrany moa izany ary efa eo am-panaovana ny fanadihadiana, hikarohana izay tompony ireo zandary.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici