- Publicité SW45 -
vendredi, avril 19, 2024
AccueilFaits-Divers« Rôrô »-Antsirabe : Tanora efatra nosamborin’ny polisy

« Rôrô »-Antsirabe : Tanora efatra nosamborin’ny polisy

Ireo fitaovana isan’ny nogiazana.

Manomboka miparitaka eto Antsirabe sy ny manodididna ny fidorohana zava maha domelina rôrô. Bandy kely vao erotrerony efa dahy no voasambotry ny polisy teo ampidorohana sy famarotana tamin’ny faraparan’ny herinandro lasa teo. Olona tsara sitra-po no nametraka fitarainana tao amin’ny polisy mahakasika ny fidorohana ity zava mahadomelina ity. Nidina nanao ny fanadihadiana ny polisy ka tratra teo ampidorohana tao amin’ny trano foneny ny roa lahy vao herotrerony. Tsy vitan’ny midoroka fotsiny ihany izy roa lahy ireto fa sady mivarotra no manindrona ny hafa ihany koa rehefa misy mitady azy. Nanaovana velam-pandrika ny roa hafa, ka teo ampividianana mihitsy no vosambotra Ao Antananarivo no hafarana ny entana amin’ny lalan’ny vola alefa amin’ny finday, ary eny amin’ny fiantsonana taxi-brousse fasan’ny karana no handefana ny entana araky ny fanavan’ny teo anivon’ny polisy. 120 000 ariary no ividian’ndry zalahy ny iray grama monja, mbola zaraina 25 fatra anefa io iray grama io ka varotiny fito arivo ariary eto Antsirabe indray izany avy eo dia toy izany hatrany. Fantatra fa isa-kerindro izy roalahy ireto dia manafatra hatrany. Manimba ny tanteraka ny fitsondromana rôrô indrindra rehefa zatra mandray ny olona ka lasa miankin-doha aminy. Voatery tsy maintsy mitady ny vatany mba hampitsahatra ny fanaintainana, sy aretina mahazo toy ny areti-kibo, sempotra, tsy mahavita na inona na inona. Araky ny vaovaoa nomena dia mila manday hatrany amin’ny 14000 ariary isan’andro ny tanora iray raha vao miankin-doha amin’ity fidorahana ity. Mpivarotra madinika ihany izy roa lahy voasambotra ireto fa tsy ilay antsoina hoe Boss, efa eo an-tanan’ny mpitandro filaminana kosa ny mombamomban’ireo mpamatsy ka antenaina ny hivoaran’ny raharaha. Natolotra ny fampanoavana omaly izy efa dahy. Tsy mitsahatra manentana ny mpitandro filaminana hiadiana amin’ity zava mahadomelina ity satria tena zava doza ho an’ny tanora sy ny firenena ny fisiany sy fiparitahany amin’izao fotoana.

Andry N.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici