- Publicité -
dimanche, juin 22, 2025
AccueilFaits-DiversRoute Digue : Mpandeha iray voaambana antsy, nisahotaka ny iray « taxi-be...

Route Digue : Mpandeha iray voaambana antsy, nisahotaka ny iray « taxi-be »

Mandry andriran’antsy ankehitriny ny Malagasy, fa manjaka tanteraka ny tsy fandriam-pahalemana. N’aiza toerana aleha dia ahitana tranga mampatahotra hatrany. Omaly maraina, tokony ho tamin’ny sivy ora tany ho any, lehilahy iray no nampihorohoro ny iray “taxi-be” tamin’ny zotra D mampifandray ny Renivohitra amin’ Ivato. Raha ny fitantaran’ny mpandeha iray, dia tsy nisy nanampo izay ho fisehoan-javatra mihitsy izy ireo tamin’ity lehilahy ity niditra ny fiara fitateram-bahoaka. Nony nandalo ny Route Digue teny Andohatapenaka anefa dia gaga sy nihoron-koditra ny iray “taxi-be” raha nahita azy nanambana antsy ny mpandeha iray nipetraka teo akaikiny. Tsy nijery fotsiny ny zava-misy anefa ny mpamily, fa avy hatrany dia nanajanona ny fiarany tamin’ny toerana nisy polisy manoloana ny fivarotana asa tànana eny amin’ny  Digue. Samy nisahotaka nivoaka ny fiara avy ny mpandeha rehetra mba hanairana ireo polisy. Avy hatrany ireto farany dia niditra ny “taxi-be” ka nisambotra ity lehilahy nanambana antsy. Tsy nisy hatreto ny naratra fa ny fitaintainana no nanjaka tamin’ireo mpandeha. Misy amin’izy ireo no manamarika fa, efa seho iray manamarina ny fisian’ny asa fampihorohoroana eto Madagasikara ity. Misy ihany koa ireo nilaza fa mety ho lehilahy marary saina izy ity, satria tsy nanendaka izy fa nampihorohoro fotsiny ihany. Efa notànana vonjimaika eny amin’ny biraon’ny “Commisariat de Police”- n’ny boriborintany fahenina ity lehilahy nampihorohoro ny iray “taxi-be” ity. Misokatra araka izany ny fanadihadiana, ny amin’ny antony nahatonga azy ho nanao izao fihetsika izao.

Niony H.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici