- Publicité -
dimanche, juin 15, 2025
AccueilFaits-DiversRoute Digue : Taxi-be 114 voaroba, voatsatoka antsy ny resevera

Route Digue : Taxi-be 114 voaroba, voatsatoka antsy ny resevera

Na iza na iza tokoa amin’izao, dia samy lasibatry ity asan-jiolahy mirongatra eto amintsika ity. Ny alatsinainy lasa teo, taxi-be 114, mampitohy an’Analakely sy Ambatolampy kely indray no voaroban’ireo olon-dratsy, teny amin’iny lalan’ny Digue iny. Ambonin’ny vola “versement” lasan’izy ireo dia mbola voatsindron’antsy ihany koa ny mpanampin’ny mpamily. Naratra mafy ary tena atahorana ny ain’ity farany, raha ny fampitam-bavao azo avy eny amin’ny hôpitaly. Ny alatsinainy alina teo no nitrangan’ity fandrobana niharo fandratrana ity, raha ny vaovao azo. Avy niasa ilay taxi-be ity tamin’io fotoana io ary handeha hanatitra ilay fiara ireto mpamily sy ny mpanampy azy. Toy ny fanaon’ny ankabeazan’ireo taxi-be rehetra anefa dia amin’izay fotoana izay izy ireo no manampy ny solika laniny mandritry ny andro. Handeha hizotra ho eny amin’ny tobim-tsolika mihitsy izy roalahy tamin’io fotoana io, ary nanararaotra kely nanary ny mavesatra taminy ilay resevera. Tamin’izay anefa no nisy andian’olon-dratsy maromaro nanatona azy. Nanambana sabatra ary nitaky ny vola rehetra tany aminy. Tsy nahafantatra n’inona n’inona akory tamin’io ilay mpamily, izay mbola nijanona tao anaty fiara. Asa, mety saika hamaly ireto andian’olon-dratsy angamba ity mpanampin’ny mpamily ity fa avy hatrany dia noleran’izy ireo ny antsy lava nentiny ity tovolahy. Nandriaka ny rà ary avy hatrany nitambotsotra ileio. Teo amin’ny tratrany, akaiky ny fony mihitsy mantsy ny voaloaky ny antsy. Nitsoaka nandositra ireo olon-dratsy niaraka tamin’ny vola tany amin’ilay resevera. Efa ela vao tsikaritry ilay namany mpamily, ny fahavoazana nahazo ity mpiara-miasa aminy, rehefa fotoana ela tsy nipoitra ity farany. Nentina teny anivon’ny hopitaly ny naratra ka raha araka ny fantatra dia miady amin’ny fahafatesana. Vao ny alahady teo ihany koa no nisy ny olona telo voatsatoky ny antsy tetsy Mahamasina ary nentina teny amin’ny hopitaly mba hanavotana ny ainy. Misesy ny fanendahana miampy tsindron’antsy tao anatin’ny roa andro izany, raha oharina amin’ireo tranga ireo. Mpivarotra, resevera taxi-be no asan’ireo olona izay niharan’ny asan-jiolahy izany. Ny mampitovy azy dia samy saika hitondra vola hody izy ireo dia ny vola maty indray andro izany, no narahin’ny olon-dratsy ary noratraina tamin’ny antsy mba hangalàna ny vola teny aminy.

m.L / D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici