- Publicité SW45 -
dimanche, février 9, 2025
AccueilFaits-DiversSabnam : Lasa hatramin’ny varavaran-kely

Sabnam : Lasa hatramin’ny varavaran-kely

Lasa daholo ny varavaran-kely (Sary GN)

Vaky trano no nitranga saingy ny nahavarina dia tsy ny entana tao an-trano no lasa fa varavaran-kely marobe. Tao amin’ny fokontany Tsarafara ao Sabotsy Namehana no nisehoan’ilay asaratsy. Ratsy vitana anefa ireto olon-dratsy ireto satria sendra nifanandrify tamin’ny fisafoana natoan’ny zandary ny fotoana nitateran’ireo ny entana halatra. « Tratra teny amin’ireo olona ireo ny varavarankely miisa 08. Rehefa nosavaina izy ireo dia hita tany amin’izy ireo ihany koa ny fitaovana fampiasany nentiny nanatanterahana ny asa ratsy fanaony, isan’izany ny ‘barre à pince’ sy ‘tournevis’, lakile marobe, tafy mahazaka ary boaty feno fanafody hamonoana biby » raha araka ny fanazavan’ny zandary. Tsy afa-niala intsony ireo noho ny porofo nitohoka tamin’ny tenda ary dia niaiky avy hatrany ny helony ary nanazava fa tsy lavitra teo no nangalaran’izy ireo ny varavaran-kely maro.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici