- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversSabnam : Sokatra an-jatony nariana amoron-dàlana

Sabnam : Sokatra an-jatony nariana amoron-dàlana

Astrochelus Radiata no karazan’ireo sokatra. Miisa 342 izy ireo ary nariana teo amoron-dàlana. Teny Sabotsy Namehana ary teo amoron’arabe no nahitana izany, teo amin’ny toerana antsoina hoe Vavafolo, fokontany Iadidiana, kaominina Sabotsy Namehana, raha araka ny tatitra azo. « Tamin’ny fizahana natao teny an-toerana dia hita fa zana-tsokatra mifono sachet, nisy nanary.

Tsy hita ny olona izay nanary ireto biby ireto na dia natao aza fisavana ny manodidina.

Nentina teny amin’ny tobim-paritry ny zandary ireo biby ireo ary nampandrenesina ny talen’ny ala eo anivon’ny ministeran’ny tontolo iainana ao Nanisana Antananarivo haka ireto bibyarovana ireto » raha araka ny fanazavan’ny zandary. Tsy hita ny olona tompon’antoka ary misokatra araka izany ny fanadihadiana. Tsiahivina fa vao tamin’ny herinandro teo nisy sarona tany Androy ary olona am-polony no voasambotra. Raaha ny fiheverana izay niseho tetsy Sabnam dia nisy nivoaka ny vaovao mahakasika azy ity.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici