
Astrochelus Radiata no karazan’ireo sokatra. Miisa 342 izy ireo ary nariana teo amoron-dàlana. Teny Sabotsy Namehana ary teo amoron’arabe no nahitana izany, teo amin’ny toerana antsoina hoe Vavafolo, fokontany Iadidiana, kaominina Sabotsy Namehana, raha araka ny tatitra azo. « Tamin’ny fizahana natao teny an-toerana dia hita fa zana-tsokatra mifono sachet, nisy nanary.
Tsy hita ny olona izay nanary ireto biby ireto na dia natao aza fisavana ny manodidina.
Nentina teny amin’ny tobim-paritry ny zandary ireo biby ireo ary nampandrenesina ny talen’ny ala eo anivon’ny ministeran’ny tontolo iainana ao Nanisana Antananarivo haka ireto bibyarovana ireto » raha araka ny fanazavan’ny zandary. Tsy hita ny olona tompon’antoka ary misokatra araka izany ny fanadihadiana. Tsiahivina fa vao tamin’ny herinandro teo nisy sarona tany Androy ary olona am-polony no voasambotra. Raaha ny fiheverana izay niseho tetsy Sabnam dia nisy nivoaka ny vaovao mahakasika azy ity.
D.R