Ankoatry ny eny an-dalambe sy ireo toerana be olona, toy ny tsena, dia efa anisan’ny tokontanin’ireo tontakely ihany koa amin’izao ireo fiara fitanteram-bahoaka. Iray tamin’ireny taxibe ireny, izay mampitohy an’Andravoahangy sy Sabotsy Namehana, no nahasamborana tontakely iray, izay voalaza fa efa kalaza lahy amin’ny resaka fanendahana sy harom-paosy, ny herinandro lasa teo.
Araka ny fampitam-boavaon’ny pôlisy dia mpandeha iray no lasibatra, tamin’io fotoana io, tokony ho tamin’ny fito ora hariva. Amin’izay ora izay dia hiaraha-mahalala ny fisisiana sy ny habetsaky ny olona ao anaty fiara. Nanararaotra an’io ingahy ka nijoko moramora ny finday avo lentan’ilay mpandeha. Tsikaritr’ity farany anefa izany ka vantany vao nandalo pôlisy ilay taxibe H dia nitoroka avy hatrany ilay lasibatra. Nandray andraikitra avy hatrany ny pôlisy izay manana tamberin’andraikitra rahateo amin’ny vahoaka ka nosavaina ilay lehilahy. Tamin’ny voalohany dia tsy nahitàna n’inona n’inona saingy rehefa nosavaina ambony ambany dia hita ihany ny nafenina. Efa tsara hafina tanteraka tanaty « bas » kiraro mantsy ilay entana halatra. Mazava ho azy fa tsy nisy alaharo alaharo fa dia nentina nihazon’ny biraon’ny kaomisaria ny lehilahy ho amin’ny famotorana. Efa nampiakarina Fampanoavana ny alakamisy lasa teo ihany koa ary nadoboka avy hatrany etsy amin’ny fonjan’Avaradrano.
N’aiza n’aiza tokoa amin’izao dia toa tsy misy intsony ny toerana azo antoka fa mila fahamailona lalandava, manoloana ireo tontakely sy ny tsy fandriampahalemana amin’ny ankapobeny. Ny tsara dia tokony an-tanana hatrany ny laharana findain’ireo mpitandro filaminana ary tsy tokony hisalasala mihitsy hampandre azy ireo raha misy tranga na olona mampiahiahy, ahafahana misoroka mialoha izay mety ho asa ratsy.
m.L




