Habibiana tanteraka no namonoana ity renim-pianakaviana iray, izay hita faty, tao an-tranony tetsy Sabotsy Namehana, omaly. Efa nibontsina avokoa ny tenany iray manontolo, ary tsy nisy namantarana azy intsony ihany koa ny tarehiny : ravarava vokatry ny vono natao azy angamba na ny pozina nomena hosotroiny, ny lelany sy ny ati-vavany rehetra efa mivoaka ety ivelany avokoa, ary nisy faritra mangana teo amin’ny tendany. Nampihoro-koditra tanteraka ny mijery ity vatana mangatsiaka, izay mivalampatra eo am-pandriana. Ny somary nahagaga dia nisy nametraka voninkazo sy vola teo akaikiny. Any amin-drangahy vadiny avy hatrany no niantefan’ny ahiahian’ny rehetra. Itsy voalohany izay tsy hita tany nanjavonana rahateo hatramin’ny omaly hariva.
Araka ny fanazavàna azo avy amin’ny zandary dia mpivarotra no asan’ity ramatoa hita faty ity. Mpiara-miasa aminy sendra mba hitsidika azy tao an-trano no nahatsikaritra zavatra hafahafa. Nisy fofona maimbo rahateo nivoaka avy tao an-tranony, ka vao mainka nampiahiahy ilay olona izay. Ambon’izay dia voalaza fa efa tsy tonga niasa intsony izy ny zoma lasa teo. Niditra avy hatrany tao an-trano ity olona ity kanjo efa zava-doza toa izao no novantanina. Mpanofa izy ireo, ilay vehivavy sy ny vady aman-janany tao amin’io trano nahitàna azy farany io. Ny antony niheveran’ny maro avy hatrany fa rangahy vadiny ihany no tao ambadik’izao habibiana mihoapampana izao dia, toa hoe ny faran’ny herinandro teo nanatitra ny lakilen’ny trano tao amin’ny tompony, izay mipetraka tsy lavitra eo ity lehilahy ity. Zava-panaon’izy mivady ireto ihany izany, ary izay tonga aloha amin’izy ireo no maka izany. Saingy tamin’ity indray mitoraka ity dia tsy nisy naka intsony ilay lakile. Tonga teny avokoa moa ireo tompon’andraikitrim-panjakana teny an-toerana sy ny mpitsabo, narahan’ireo tompon’andraikitry ny filaminana misahana iny faritra iny nijery ny zava-nisy sy nanokatra avy hatrany ny fanadihadiana teo anatrehan’ity tranga mampivarahontsana ity.
m.L