- Publicité SW45 -
jeudi, mars 28, 2024
AccueilFaits-DiversSabotsy Namehana : Tambazotra mpangalatra môtô ravan’ny zandary

Sabotsy Namehana : Tambazotra mpangalatra môtô ravan’ny zandary

Haingana dia haingana ny fampandrenesena ireo tompon’andraikitry ny filaminana ka tsy nanano sarotra ny fisamborana ireto olon-dratsy, izay tra-tehaka ambodiomby, teo am-panaovana ny asa ratsiny.

Ny faran’ny herinandro teo, nitrangana vaky trano roa be izao tao anatin’ny indray alina monja, ny tao amin’ny fokontany Tsarafara, kaominina Sabotsy Namehana. Lasan’ireo olon-dratsy tamin’izany ny môtôn’ireo tompon-trano. Samy taitra tao anatin’ny torimasony avokoa ireo tompon-trano ka nampandre haingana ny tobim-paritry ny zandary tao Sabotsy Namehana. Vantany vao naharay ny vaovao ihany koa ireo farany dia niezaka nanao ny fanarahan-dia, nizara nanenjika ireo olon-dratsy.  Tany Namehana no tra-tehaka ireto farany, raha mbola teo am-panosehana ilay môtô hatrany. Tokony ho tamin’ny roa ora maraina tany ho any kosa no hita soritra ny lalan’ireo olon-dratsy hafa, izay teo am-panitrihana ihany koa ny moto iray azon’ireo tao amin’ilay tokantrano iray faharoa. Nitsoaka toy ny tsy teo moa izy ireo, raha vao nahita ny zandary tonga, ary tafaporitsaka tanaty elakelan-trano, teny amin’iny faritra Soaniadanana iny.

Nentina avy hatrany nihazo ny biraon’ny zandary ireo tratra, telo lahy ary notanana natao andrimaso ho amin’ny famotorana azy ireo. Tamin’izany, hoy ny fampitam-baovao azo, no fantatra ao anatina tambazotra iray ihany ireto farany sy ireo tafatsoaka. Izy ireo no anisan’ny tompon’antoka tamin’ireo halatra môtô sy vaky trano nifanesisesy tato anatin’ny kaominina Sabotsy Namehana sy Anosy Avaratra. Efa nisy fotoana mantsy izy ireo, azo sary tamin’ny alalan’ny « camera de surveillance », teo am-pangalarana môtô, saingy izao moa vao voasambotra. Ny faran’ny herinandro teo izy ireo no natolotra teny anivon’ny Fampanoavana ary nadoboka avy hatrany eny Tsiafahy. Mbola mitohy kosa ny fikarohana ireo olon-dratsy tafaporitsaka, raha ny vaovao azo hatrany.

m.L

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici