- Publicité -
mardi, septembre 8, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversSadabe : Noheverin’ity mpanakan-dalana fa mpivarotra ireo zandary, raikitra ny fifandonana

Sadabe : Noheverin’ity mpanakan-dalana fa mpivarotra ireo zandary, raikitra ny fifandonana

Efa zary fomba fanaon’ireo dahalo mpanakan-dalana any amin’iny kaominina Sadabe iny ny manafika ireo mpivarotra, handeha vao maraina haka taxi-brousse hiakatra aty an-drenivohitra. Omaly vao maraina, « sendra ny mpaka kitay » araka ny fomba fitenenana ny iray tamin’ireto olon-dratsy ireto.

Tokony ho tamin’ny efatra ora sy sasany maraina tany ho any. Vao avy nanao ny fisafoana amin’ny alina, toy ny mahazatra mihitsy ireto zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Sadabe, tao amin’ny tanàna antsoina hoe Ambonin’ny Sinibendrano, fokontany Ankerana, kaominina Sadabe, no nisy lehilahy nipoitra avy any niaraka tamin’ny basy poleta vita gasy. Iaraha-mahalala fa mbola maizina raha amin’izany ora sy fotoana izany, ka nihevitra ity farany fa mpiantsena sy mpivarotra handeha maraina ireto olona hitany ireto. Paik’adin’ireto tontakely rahatelo moa izany, raha ny vaovao azo hatrany. Raikitra teo avy hatrany ny fifandonana, rehefa hitan’ity farany fa mpitandro filaminana ireto saika noendahiny. Nisy ny fifamaliana tifitra raha ny voalaza. Ary voa tamin’izany ity jiolahy diso haza ity. Maty tsy tra-drano vokatry ny ratra nahazo azy izy, hoy ny vaovao. Tonga teny an-toerana nanao ny fizahana ny razana moa ireo mpitsabo tany an-toerana.

Ankoatra ny basy poleta vita gasy tany aminy, fentiny manao ny asa ratsiny, dia mbola nahitàna rongony sy tavoahangy nisy ody gasy tany aminy, hoy hatrany ny fanazavana azo. Marihina fa ity lehilahy namoy ny ainy ity dia efa dahalo sy mpanakan-dalana nikoizana tany amin’iny faritra iny ary efa ela no nikarohan’ireo zandary azy. Voalaza fa anisan’ireo nandray anjara tamin’ilay fanafihana mitam-piadiana niseho tao Ambohimirary Anjozorobe, ny voalohandohan’ny volana febroary teo ny anao lahy. Nanomboka teo, rehefa fantany fa karohiny izy, taorian’ny filazan’ireo namany, efa tratra tamin’io fotoana dia nifindrafindra toerana ny lehilahy : mbetika any Sadabe, Manjakandriana, mbetika ao Avaratsena Sahalemaka, Ambohidratrimo ary mbetika  any Analaroa Anjozorobe. Saika mifanakaiky avokoa moa ireo toerana voalaza ireo ary efa samy nitondra faisana tamin’ny asa ratsin’izy sy ny namany avokoa. Amin’izay lafiny izay, dia mbola mandeha ny fikarohana ireo izay mety ho namany, raha ny vaovao nampitaina hatrany.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici