Na somary nangingina ny resaka andramena teto amin-tsika tato ho ato, dia isan’ny Tanana tena nahitana trafika na fanondranana antsokosoko andramena ny tao amin’ny Nosy Sainte-Marie. Manao ny fanangonam-baovao momba azy ity ihany anefa ny mpitandro ny filaminana ao Sainte-Marie, satria kihon-dàlana tena fanaovan’ny olona na mpandraharaha trafika ity karazana hazo ity ny any an-toerana. Noho izay vaovao voarain’ny polisy tao Sainte-Marie tao amin’ny Tanana antsoina hoe Andampanangoy fokontany Vohilava, dia nidina nijery ny zava-misy ny zoma 12 jolay teo, ka sarona ambodiomby tamin’izany ireo telo lahy mpanapaka sy mpivarotra ary mpanao trafika ny andramena. Ny iray no tratra mialoha, ka izy avy eo no nanory ny namany roa lahy mpiara-manao aminy izany fanapahana sy fivarotana ary trafika na andramena izany. Tratra tamin’izany ny hazo mbola bolongany sy ireo hazo efa vita fanaka nefa tsy nahazoana alalana. Raha ny nambaran’ny kaomisera ny officier Rabenandrasana Berthelie Emile dia mbola voarara sym aha-voasazy ny fanapahana sy fivarotana ny andramena na hanaovana fanaka aza eto amintsika, araka ny lalana navoakan’ny fanjakana. Anio alatsinainy no voalaza fa hiakatra fampanoavana ao Fenrivo atsinanana izay efa manana Fitsarana ambaratonga volaohany misahana ny ao Fenerivo atsinanana sy Soanierana Ivongo ary Sainte-Marie ny raharaha, ka ho hita eo ny tohiny.
Malala Didier