Ity tranga tao Ankarena Vohilava Sainte-Marie ity no atao hoe “matin’ny amboakely tiana” aminy. Tera-tany Aotrisiana, Stockn Manfred 63taona, iray no hita faty teo akaikin’ilay tora-pasika nahitana ny fatin’i Magalie sy i Romain, ny sabotsy maraina teo tokony tamin’ny 7ora maraina.
Rimbana tanteraka ny tarehin’ity teratany vahiny tompon’ny trano fandraisam-bahiny “Adonys” ao Vohilava ity, tamin’ny fotoana nahitan’ny olona azy. Raha ny fanamarinana nataon’ny mpitsabo nijery ny fatiny, dia voamarina fa kaikitr’alika no nahatonga izany, ka ny fahaverezan-dra be loatra taminy sy ny fahanterany no nanafaingana ny fahafatesany tamin’ireo kaikitra alika nahazo azy izao. Ny angom-baovao avy any an-toerana izay nohamafisin’ny kaomisera Lapely Francois, dia fomba fanaon’ity teratany Aotrisiana ity, no mitondra mitsangantsangana ireo alika beny (chien de race) roa, vavy sy lahy, isa-maraina. Fanaony anefa ny mamatotra ny vavan’ireto alika ireto amin’ny fehy vava manokana, saingy tamin’izao tranga izao dia tsy nasiany izany ireto alika masiaka be ireto.
Nampifadiana hena.
Ny fiverenan’ilay alika iray feno rà ny vavany sy tsy niaraka tamin’ilay teratany vahiny no nanaitra ilay mpanampy; ka nanomboka teo ny ahiahy sy ny fikarohana ilay Aotrisiana. Tsy fantatra mazava hatreto ny anton’ny nanaikeran’ilay alikany an’ity tompony tamin’izao raharaha izao.Azo heverina anefa araka ny fanazavan’ny kaomisera Lapely, fa nisy fihetsika tsy tian’ilay alika nataon’ny tompony tao, ka namaly ilay biby ho fiarovan-tenany. Ny angom-baovao hatrany koa anefa no nahalalana, fa roa volana izao no notapahan’ilay teratany Aotrisiana ny fanomezana hena ireto alikany, izay nosoloina ireo sakafo manokana ho an’ny alika sisa izany. Heverina fa misy ifandraisany amin’izany no anton’izao tranga kaikitr’alika nahafaty olona mampisy resa-be ao Sainte-Marie izao.
Raha mbola mitady ny marina mikasika ny famonoana an’i Magalie sy Romain ny fitsarana malagasy sy ny any Frantsa, dia nitranga indray ity fahafatesana teratany Aotrisiana ity na tsy mitovy aza ny nahafaty azy ireo. Milamina ny any an-toerana hoy ny kaomisera Lapely nanome toky.
Malala Didier