- Publicité -
dimanche, juin 22, 2025
AccueilFaits-DiversSakaraha : Halatr’omby, atahorana hifanafika ny kaominina Andranolava sy Ankilivalokely

Sakaraha : Halatr’omby, atahorana hifanafika ny kaominina Andranolava sy Ankilivalokely

Tsy nandaitra ny fampiharana ny Dinabe, izay dina ifampifehezana eo amin’ny ady amin’ny halatra omby any amin’ny faritra Atsimo Andrefana, ka ahiana mafy amin’izao ny mety hisian’ny fifanafihana eo amin’ny kaominina roa, dia Andranolava (Distrikan’ i Sakaraha) sy Ankilivalokely ao anatin’ny Distrikan’ Ankazoabo Atsimo, raha araka ny vaovao mariM-pototra voaray. Raharahan’omby 113  very, tao amin’ny alan’i Besomata no fototry ny olan’ny roa tonta. Rehefa raikitra ny fampiharana ny dina, natao tany Ankazoabo, dia nambanan’ ireo mpanao Dinabe ao Andranolava basy ny avy ao Ankilivalokely, ka tsy niatrika ny kabary, ary nosaziana. Taorian’izany, dia nangataka ny mba hamerenana indray ilay kabary ny avy ao amin’ny kaominin’ Ankilivalokely, ary tsy nanaiky ihany koa ny handoa ilay sazy fitaka nampiharina taminy. Manoloana izany anefa, dia nandrahona ny hanafika ny tanànan’Ankilivalokely ny avy ao Andranolava ;izay efa nanomana tanora maro. Nanambara ihany koa ny avy ao amin’ny kaominina Ankilivalokely, fa vonona ny hiatrika ady, ary tsy hihemotra mihitsy amin’ny ramatahora atao, hoy ingahy Ben’ny tanàna. Raha tsy misy ny fandraisan’andraikitra ataon’ny manam-pahefana sy ny mpitandro filaminana haingana, dia atahorana noho izany ny hisian’ny rà mandriaka amin’ ity raharaha halatra omby niteraka valifaty ity, satria mifampikendry tohina fotsiny ny roa tonta, izay kaominina roa mifanila vodirindrina efa hatry ny ela no nifandona matetika noho ny asan-dahalo hatrany.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici