- Publicité SW45 -
lundi, juin 17, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversSakaraha : Jiolahy 5 mpamono olona sy mpanafika fiara amin’ny RN7, voasambotry...

Sakaraha : Jiolahy 5 mpamono olona sy mpanafika fiara amin’ny RN7, voasambotry ny Zandary

Noho ny fiaraha-miasa matotra avy tamin’ny olona tsara sitra-po nanome loharanom-baovao marim-pototra ny mpitandro filaminana momba ny toerana misy sy fiafenan’ireo jiolahy namono nahafaty lehilahy iray mpivarotra omby, ny 14 novambra lasa teo, tany Mahaboboka Sakaraha, dia dahalo dimy lahy no voasambotry ny Zandary, afak’omaly, rehefa nokarohina tao anatin’ny roa volana nahery ireo olon-dratsy. Araka ny tati-baovao voaray, dia novonoina tamin’ny fomba feno habibiana tamina vohitra iray tao Ambohimanitsy, andrefan’ny Kaominina Mahaboboka ity rangahy mpanarivo patiraon’omby ity. Taorian’ ny vono olona nahatsiravina, dia nisy avy hatrany ny olona nahiahiana, ka ny volana desambra lasa teo, voarohirohy roa lahy no voasambotra. Araka ny fanazavana azo hatrany avy tamin’ny mpitandro filaminana mandray an-tànana ny raharaha, dia malaza ratsy sy ikoizana amin’ny fanakanan-dàlana sy fanafihana fiara amin’ny RN7 iny ihany koa ireto jiolahy mitam-piadiana tra-tehaka.

Eric Manitrisa

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité Google Ads.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici