- Publicité SW45 -
lundi, mai 27, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversSakaraha : Lehilahy mpibizina safira, novonoin’ny dahalo tao anaty hotely natoriany

Sakaraha : Lehilahy mpibizina safira, novonoin’ny dahalo tao anaty hotely natoriany

Manoloana ny firongatry ny tsy fandriampahalemana misy any amin’ny distrikan’i Sakaraha, faritra Atsimo Andrefana, dia miaina ao anaty horohoro mandrakariva ny mponina, tsy an-tanan-dehibe io, tsy ambanivohitra. Afak’omaly alina, lehilahy iray mpibizina safira avy any Namolora no novonoin’ny jiolahy tao anaty « chambre » natoriany tamina hotely iray nivantanany tao Sakaraha tampon-tanàna. Nony naraina ny andro dia gaga ny namany niara-dia taminy fa mbola tsy nifoha ihany ity mpandraharaha vato safira ity, ka nododomina tao amin’ny efitrano natoriany, nefa tsy namaly. Voatery novakiana ny varavarana ka vatana nihosin-drà no hita tao. Rehefa nofotorina mafy ny tompon’ilay hotely mahakasika ny zava-misy, dia nilaza fa nisy andian’olona maromaro avy any Besavoa namono an’ity mpibizina safira ity tao. Araka ny fanazavana azo hatrany dia tsy vao sambany ity hotely ity no nitrangana vono olona toy izao, ka tokony handraisan’ny tompon’andraikitra fepetra henjana sy haingana, hoy ny havan’ireo niharam-boina.

Eric Manitrisa

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici