- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversSakaraha : May ny ampahan’ny ala voanjanahary ao amin’ny “Parc nationale Zobitse”

Sakaraha : May ny ampahan’ny ala voanjanahary ao amin’ny “Parc nationale Zobitse”

Vokatry ny doro tanety, may hotohoton’ny afo amin’ny ampahany amin’ny  ala arovana ao amin’ny “ Parc national Zobitse “Sakaraha. Nanampy trotraka ny firedaredan’ny afo haingana, ny fitsokan’ny rivotra mafy tamin’ity herinandro ity. Noho ny tandrevaka, biby sy zavamaniry maro tsy roa aman-tany arovana no kila firehitra. Raha ny vaovao voaray, raha tsy voavono haingana ny afo, dia ala arovana an’hekterany maro no kila firehitra lasa lavenona. Mandoro tanety sy kirihitrala ny mponina amin’izao fotoanan’ny main-tany alohan’ny fahavaratra izao, mba hiraofan’ny omby aman’ondry sy osy . Matetika anefa tsy voafehy ny afo, ka miitatra mitera-doza. Vokatry ny doro tanety ihany koa, ritra avokoa ireo loharano ahazoana rano fisotro; izay tototry ny antsanga sy fasika.

Eric Manitrisa

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici