- Publicité SW45 -
samedi, avril 20, 2024
AccueilFaits-DiversSakaraha : Mpianaka notapahan-doha

Sakaraha : Mpianaka notapahan-doha

Razana roa izay tsy nisy loha intsony no nisy nahita tao amin’ny kaominina Miary Taheza, ao amin’ny distrikan’i Sakaraha. Taitra ny olona no sady nivarahotsana raha nahita an’izany omaly. Tsy vitan’izany fa hita mbola mitondra vohoka ilay vehivavy iray tamin’ireo. Mazava hoazy fa hita tamin’ny kibony izany. Ny faharoa dia vatana zazakely izay tsy mihoatry ny dimy taona raha araka ny tomban’ny olona. Rehefa nandeha ny fanamarinana tsotsotra izay niainga tamin’ny olona manodidina dia fantatra fa mpianaka ireo namoy ny ainy sy novonoina tamin’ny fomba feno habibiana. Telo mianaka akory aza satria mbola misy ilay zaza ao am-bohoka. Fa mba olona iza loatra no nahavon-doza? Nivoatra avy hatrany ny fanadihadian’ny mpitandro ny filaminana izay nahafantatra fa vehivavy 25 taona sy ny zanany lahy dimy taona ilay hita faty. Avy amin’ireo koa no nahenoana fa olona avy any Ambanivohitr’i Tolagnaro izy ireo ary niala tao amin’io tanàna io noho ny fitadiavana. Mba hitrandraka safira no anton’izany. Nanokatra fanadihadiana ny zandary momba ity tranga ity. Miverina ihany ny fanontaniana : fa mbola olona toa inona loatra no nahavita habibiana toa izao? Ny iray zaza behovoka ary ny faharoa zazakely tsy manan-tsiny. Samy notapahan-doha…

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici