- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversSakaraha : Potika ny sekoly, milandina manoratra amin’ny tany ireo mpianatra

Sakaraha : Potika ny sekoly, milandina manoratra amin’ny tany ireo mpianatra

Noho ny tsy fisian’ny asa fanamboarana sy fanarenana an-taonan’ny maro, dia potika tanteraka ankehitriny ny EPP ao amin’ny Fokontany Ambahimalitsy any amin’ny Kaominina Ambanivohitry Miary Lamatihy, Distrikan’i Sakaraha, Faritra Atsimo Andrefana. Simba tanteraka ny efitrano fianarana ary miladina manoratra mifotetaka amin’ny tany ireo mpianatra noho ny tsy fisian’ny tabilio, ka manaitra ny fanjakana foibe, indrindra ny ao amin’ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ny mponina any an-toerana, mba hijery ny azo atao anarenana haingana an’ ity sekolim-panjakana iray ity fa tena mampalahelo ny zava-misy any amin’ity Distrika saro-dalana sy mbola faritra mena hatrany amin’ny asan-dahalo. “ Dia ho sanatria tokoa ve araka ny fiteny mahazatra fa tany lavitra andriana sy ambany ravin-kazo aty aminay, ka tsy misy mpijery ny hoavin’ny zaza Malagasy aty ! ”, hoy ny Ben’ny tanànan’ity Kaominina ity raha nitafa tamin’ny mpanao gazety.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici