- Publicité SW45 -
dimanche, mai 19, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversSakaraha : Raikitra ny ady saritaka teo amin’ny Polisy sy ny Zandary,...

Sakaraha : Raikitra ny ady saritaka teo amin’ny Polisy sy ny Zandary, nipoaka in-4 ny basy

Tranga nahavalalanina ny maro no niseho tao an-tampon-tanànan’i Sakaraha, afak’omaly tolakandro, tokony ho tamin’ny efatra ora. Taorian’ny lozam-pifamoivoizana nandonana fiara « 505 banché » ny « bajaj » iray, dia raikitra ny savorovoro teo amin’ny Polisy sy ny Zandary. Rehefa nampandrenesin’ilay mpitondra « bajaj » ny zava-nisy ny Polisy, dia tonga hanatanteraka fanadihadiana sy hanao ny « constat ». Nilaza anefa ny mpamilin’ity fiara « Peugeot » rehefa nanontaniana, fa nalaina Zandary iray manao fanamiana sivily miasa ao amin’ny Borigadin’i Sakaraha ny antontan-taratasin’ny fiara nentiny. Rehefa nantonina ity zandary izay efa mamo, dia tezitra mafy ary nanao teny nanafintohana sady nikasi-tanana ny Polisy hangataka fanazavana aminy. Teo anatrehan’izany dia namaly tosika ny Polisy, ka raikitra ny fifanjevoana.

Mamo. Vao mainka nampiakatra ny hafanan’ity Zandary mamo ny fahatongavan’ ny namany, izay mbola nanao fanamiana sivily hatrany, ka nitazona ny vozon’akanjon’ny iray tamin’ireo polisy ity farany. Nisy olona tsara sitrapo nahita ny sakoroka, nandrara an’ ireto polisy, ary lasa nankany amin’ny biraony nanao tatitra tamin’ny lehibeny izy ireo. Vao tonga tao amin’ny Kaomisaria ireto Polisy hanao tatitra, indro fa nanaraka tao amin’ny biraon’ny Polisy ny Zandary efa-dahy hafa nanao fanamiana, ka nanapoaka ny « kalachnikov » teny an-tanany, ary nirefotra in’efatra ny feom-basy, raha ny tati-baovao voaray. Soa ihany fa nitony nanoloana an’ity tranga nigagam-bahoaka ity ny avy ao amin’ny Polisim-pirenena, ka voasoraka ny ady saritaka. Manoloana ny fihoaram-pefy nataona Zandary efatra miarahalahy ireto, dia nisy fepetra ara-miaramila noraisin’ny Kaomandin’ny Borigady any an-toerana.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici