- Publicité -
jeudi, juin 19, 2025
AccueilFaits-DiversSakaraha : Renim-pianakaviana hita faty, nivoa-drà ny orony sy ny vavany, feno...

Sakaraha : Renim-pianakaviana hita faty, nivoa-drà ny orony sy ny vavany, feno dian’antsy ny vatany

Ramatoa iray indray no hita faty, afak’omaly, tany amin’ny distrikan’ i Sakaraha. Raha ny fantatra dia novonoina tamin’ny fomba feno habibiana ity ramatoa ity, satria feno dian’antsy ny vantany, ary nivoa-drà ny orony sy ny vavany. Narian’ireo tsy mataho-tody tany anaty kirihitr’ala ny vanta mangatsiakany. Raha ny vaovao voaray, dia mpiandry omby saika handeha hanao maloto tao anaty kirihitr’ala no nahita ny razana. Raha ny tati-baovao voaray hatrany, dia ankevitry ny novoina tany amin’ny toeran-kafa ity ramatoa manodidina ny telo taona eo ity vao natsipy tany anaty kirihitr’ala lavitra ny tanàna ny fatiny. Hatreto, mbola tsy fantatra ny tompon’antoka tamin’ity vono olona nahatsiravina ity. Ary tsy fantatra ihany koa ny mombamomba azy sy ny mety ho fianakaviany, ka nalevin’ny fokonolona ny razana.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici