Noho ny filan-dratsy mamoehatra amin’ny fahafinaretana ara-nofo, dia efa lasa mihabiby ny olona ankehitriny. Vehivavy iray manodidina ny 40 taona eo, voalaza fa marary saina, no hitan’ny olona niampatra vao maraim-be, tokony ho tamin’ny 5 ora sy sasany, teo amoron-dalana naratra mafy tsy nahatsiaro tena, omaly, tao Sakaraha. Araka ny tati-baovao voaray, dia naolana sady nodarohana ho faty ity ramatoa adala mirenireny ity, ary nosisihan’ny tsy mataho-tody voro-damba ny fivaviany. Rehefa noheverin’ny nanolana sy namono azy fa maty ity vehivavy ity, dia natsipiny tao anaty lavaka.
Eric Manitrisa