Vola manodidina ny valo hetsy ariary teo ho eo no lasan’ireo olon-dratsy. Mitondra faisana avokoa ny rehetra amin’ity resaka tsy fandriampahelamana ity, eny fa na hatramin’ireo mpitondra fivavahana aza. Pasitora iray tany amin’iny distrika Sakaraha iny mantsy no lasibatry ny fanafihan-jiolahy ny alin’ny alarobia lasa teo. Araka ny fampitam-baovao azo dia tokony ho tamin’ny iraika ambin’ny folo alina tany ho any no nanao amboletra niditra tao amin’ny tokantranony, ny jiolahy maromaro izay mirongo zava-maranitra sy basim-borona. Tamin’ny alalan’ny famakiana ny varavarankely sy ny varavaram-be no nahafahan’izy ireo niditra. Avy hatrany dia fandrahonana sy fitakiana ireo vola rehetra tao an-trano no nataon’izy ireo. Nentin’ny tahotra sy ny tratry ny be noho ny vitsy moa ity mpitondra fivavahana ka nanome izay notadiavan’ireto mpanafika. Vokany, lasa tamin’izany io lelavola voalaza etsy ambony io niaraka tamina fitaovana sarobidy maromaro. Saika mbola handroaka izay zakany ihany izy ireo raha tsy notairin’ny fiaran’ireo mpitandro filaminana mpanao fisafoana ary vaky nandositra noho izany. Raikitra teo moa ny fifanenjehana saingy nafenin’ny alina maizi-kitroka ireo olon-dratsy ka tafaporitsaka. Mitohy ny fikarohana azy ireo, araka ny fampitam-baovao azo.
m.L