- Publicité -
lundi, septembre 7, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversSakoamadinika-Betsiboka : Dinika fiaraha-mientana hiadiana amin’ny tsy fandriam-pahalemana

Sakoamadinika-Betsiboka : Dinika fiaraha-mientana hiadiana amin’ny tsy fandriam-pahalemana

Nanao dinika ho fiaraha-mientana amin’ny trangana tsy fandriam-pahalemana ny fokon’olona sy ny lehiben’ny vondron-tobim-pileovan’ny Zandarimariam-pirenena. Tsy miandry trangana fanafihana mitam-piadiana sy ny asan-dahalo miseho, vao mandray andraikitra ny mpitandro ny filaminana natao hiaro ny vahoaka sy ny fananany, fa mila mametraka paikady hisorohana mialoha amin’ny mety hisian’ny trangana tsy fandriam-pahalemana. Izay indrindra no nisian’ny fidinana ifotony niampy fihaonana nivantana, tamin’ireo fokon’olona sy ny tompon’andraikim-panjakana, any amin’ny kaominina ambanivohitra Sakoamadinika, disitrakan’i Tsaratanàna, nataon’ny lehiben’ny vondron-tobim-pileovan’ny Zandarimariam-pirenena eto Betsiboka ny andron’ny faha 21 Mai taona 2026 teo iny, tokony tamin’ny 09 ora maraina, tao amin’ny tranom-pokon’olona. Naharitra ora maro ny dinidinika ambany tafon-trano nisy, niarahana tamin’ireo fokon’olona sy ny tompon’andraikim-panjakana isan-tsokajiny, ary ireo mpikambana ao amin’ny dinam-pokonolona any amin’ny kaominina ambanivohitra, voalaza esty aloha. Anisan’ny nisogadina nandritra izany ny fiaraha-mientana amin’ny andromasom-pokon’olona sy ny fampahavitriana ny ady atao amin’ny asan-jioahy, fanaraha-maso ireo  » kizo  » isaky ny fokotany, fampitana haingana ny vaovao manan-danja mety hisy fiatraikany amin’ny filaminana eny ambanivohitra, fandraisana andraikitra ataon’ny filohan’ny fokontany tsirairay amin’ny fanaraha-maso ireo olona, ao amin’ny tanàna iadidiany avy.

Ratantely

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici