- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversSakoroka tao Sonierana Ivongo : Nahazo “LP” avokoa izy 19 tratra nitora-bato...

Sakoroka tao Sonierana Ivongo : Nahazo “LP” avokoa izy 19 tratra nitora-bato mpitandro filaminana

Mbola mitana ny sain’ny mponina ao Soanierana Ivongo hatrany hatramin’izao, ilay raharaha sakoroka tany an-toerana, ka nahamay ny fiangonana FKM tantanan’ny pasitera Marc Tatandraza, noho ny fahasorenan’ny mponina any an-toerana amin’ny fihetsika ataon’ity fiangonana ity, amin’ny fanivaivana ny maha-olona sy ny mpino ka nampiova tanteraka ny rafi-piarahamonina sy tokantranon’olona maro tany an-toerana. Nandritra ilay sakorana anefa, dia nisy  zatovo tsy ampy taona avokoa ny ankamaroany, voasambotry ny mpitandro ny filaminana noho ny tora-bato nataon’izy ireo raha nandamina ny raharaha ireto mpitandro ny filaminana. Raha niakatra fitsarana anefa izy 19 mianadahy ireto, ny herinandro nivalona teo, dia nafahan’ny mpitsara mpanao famotorana avokoa izy rehetra. Nefa nandritra ny zava-nitranga dia olona  13 no naratra mafy tamin’ny lohany noho ny tora-bato, polisy iray ihany koa no voatoraka tamin’ny pilotra izay nahavoa ny tratrany ka mbola mitsabo tena ny tenany hatreto noho ny fahavoazana nahazo azy. Hatramin’izao koa, dia mbola karohina fatratra ity pasiteran’ny fiangonana FKM Marc Tatandraza ity, satria misy ankizy roa nataony sy ireo mpiara-mivavaka aminy niara-nitsoaka tamin’ny takalon’aina tamin’ny fandosina nataon’izy ireo, teo ihany koa ny fananana sy ny volam-piangonana. Efa naparitaka isaky ny tobin’ny mpitandro ny filaminana sy ireo kaominina manodidina an’i Soanierana Ivongo ihany koa ny mombamomba ity pasitera ity ankehitriny…

Malala Didier

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici