- Publicité SW45 -
samedi, avril 27, 2024
AccueilFaits-DiversSakoroka teny amin’ny 67 ha : Nitory ny mpiambina ny « Restaurant-bar...

Sakoroka teny amin’ny 67 ha : Nitory ny mpiambina ny « Restaurant-bar Maxime » ilay polisy

Manoloana ilay sakoroka niafara tamin’ny fisamborana olona roa  tao amin’ny « Maxime 67 ha » ny alin’ny Talata 22 hifoha ny Alarobia 23 Aogositra teo, hitory ireo mpiambina ao amin’ity toeram-pisotroana ity ilay lehilahy voalaza fa nahatonga ny olana. Araka ny nambaran’ny lehiben’ny Sureté urbaine de Tananarive (SUT) etsy  Tsaralalàna, ny kaomisera Pemba James Pizzare, dia polisy miasa ao amin’ity toeram-piasana ity tokoa ilay lehilahy voalaza etsy ambony ity. Nambarany anefa fa tsy amperinasa  izy tamin’io fotoana io ka nanao fanamiana sivily. Niara-nikorana tamin’ny rahalahiny izay tonga miala sasatra eto an-drenivohitra tao amin’io toerana io izy io alina io. Nisy niantso anefa izy nandritra izany ka nitondra ny tavoahangy izay nisotroany tany ivelany, nefa nosakanan’ireo mpiambina ka niteraka ilay fifamaliana sy fikasihan-tanana. Nambaran’ity kaomisera ity fa toy ny olon-tsotra rehetra izay manana olana dia niantso ny tao amin’ny Paositry ny polisy Tsaralalàna ity polisy ity. Tonga teny an-toerana ny avy ao amin’ny UIR na ny « Unité d’intervention rapide » ka nisambotra ireo mpiambina roa. Na izany aza anefa, nilaza ity lehiben’ny SUT ity fa navotsotra ireo olona nony maraina. Tsy nijanona hatreo ny raharaha fa noho ny ratra nahazo azy izay nahazoany tsy fahafaha-miasa 12 andro, dia nametraka fitoriana ireo olona  izay nolazainy  fa nampiasa herisetra taminy. Noho izay antony izay, milaza ny eo anivon’ny « Commissariat central” fa misokatra ny fanadihadiana momba ity raharaha ity. Efa mandeha ny fiantsoana ireo olona voakasik’izany saingy ny olana, hoy ity lehiben’ny SUT ity, dia misy tamin’ireo mpiambina ireo no efa tsy ao amin’io toeram-pisotroana io intsony ankehitriny fa nametra-pialana.

T.M.

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici