- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversSakoroka : Zandary maty voatifitra, lasa ny kalachnikov

Sakoroka : Zandary maty voatifitra, lasa ny kalachnikov

Be noho ny vitsy ireo mpitandro ny filaminana; izay niditra an-tsehatra niady tamin’ny dahalo. Manodidina ny ny efapolo ny isan’ireo nifanandrina taminy ary tsy nampihemotra ireo zandary izany. Omaly vao maraim-be dia efa raikitra ny fifampitifirana tao Betroka. Raha araka ny fanamarinana natao teo anivon’ny zandarimaria dia mitondra ny grady Adjudant ilay namoy aina. Omaly ihany dia efa nisy zandary marobe nalefa any an-toerana ary nahetsika hatramin’ny helicoptère mba hoentina hifanandrinana amin’ireo jiolahy. Nanomboka ny alin’ny alarobia, dia efa nisy ny fanarahan-dia rehefa nisy asan-dahalo izay nitranga tao Analamary-Betroka. Taorian’ny dia an-tongotra nandritry ny adim-pamataranandro maromaro no nifanena amin’izay ny roa tonta ary dia io raikitra io ny fifampitifirana. Nampian’ny tafika ireo zandary izay niditra an-tsehatra ary nifampizara izy ireo tamin’ny fanenjehana. Tao anatin’ny zavona sy ny haizina no raikitra ny ady ary rehefa lasa ireo dahalo vao hita fa nisy mpitandro ny filaminana lavo. Tsy hita ny kalachnikov izay nampiasainy. Nisy olon-tsotra  isan’ny nanao fanarahan-dia ihany koa naratra vokatry ny tifitra nahazo azy. Nandefasana zandary nofanina amin’ny ady anaty akata any an-toerana nanomboka omaly ary efa nohodidinina ihany koa ny toerana izay mety hivoahan’ireo olon-dratsy.

D.R

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici