Ankizivavy kely tsy manan-tsiny vao dimy taona monja no naolana tovolahy 25 taona mpiray tanàna aminy, afak’omaly, tany Sambava. Vokatry ny fanolanana nihatra taminy, dia voamarin’ny dokotera fa simba tanteraka ilay zaza, izay mbola manaraka fitsaboana ankehitriny noho ny herisetra ara-nofo feno habibiana nihatra taminy. Araka ny tati-baovao voaray tokoa mantsy, dia tsy vitan’ny nanaovan’ilay tovolahy fomba mamohehitra teo amin’ny maha vehivavy azy ity zaza, fa mbola nanamparany ny filan-drasiny koa tany amin’ny lava-pitombenany. Noho ity mpanolana voalaza fa manam-bola sy mirehareha fatratra manana fianakaviana olona ambony, dia tsy sahy nitory ny ray aman-drenin’ity zaza voaolana. Kanefa raha vao nahare momba ny zava-nitranga sy fitarainana ny avy amin’ny Sampan-draharahan’ny Mponina any amin’ny Faritra Sava, dia nandray andraikitra avy hatrany, ary tsy hanaiky izao raharaha izao havela mora fotsiny.
Eric Manitrisa