- Publicité -
lundi, juin 16, 2025
AccueilFaits-DiversSambava : Basy voakitika tsy nahy nipoaka, zaza roa voatifitra miady amin’ny...

Sambava : Basy voakitika tsy nahy nipoaka, zaza roa voatifitra miady amin’ny fahafatesana

Tranga nahavalalanina ny maro no niseho omaly naraina  tokony ho tamin’ny enina ora, tany Andrembona Distrikan’i Sambava. Basy mifahana misy bala sendra napetraky rangahy tompony tao an-tranony no nolalaovin-jaza, ka voakitik’ ireto tsy manan-tsiny tsy nahy no nipoaka nirefotra mafy. Vokany zaza roa tao an-trano no voatifitra ka naratra mafy nihosin-drà ; izay 5 taona ny iray voatifitra teo amin’ny kibony, raha 10 taona kosa ny zaza faharoa niantefan’ny bala teo amin’ny hatony. Manaraka fitsaboana ao amin’ny hopitaliben’i Sambava  ireo niharan-boina, izay mbola miady mafy amin’ny fahafatesana hatramin’izao. Vokatry ny tsy fitandreman’ny ray aman-dreny, dia ny zaza tsy manan-tsiny tsy mahalala na inona na inona no am-bavahaonan’ny fahafatesana ankehitriny, hoy ity olom-boafidy iray nampita ny vaovao tamin’ny mpanao gazety.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici