- Publicité SW45 -
lundi, juin 17, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversSambava : “Infirmier” nanao fandidiana marary tao an-tranony, nahafaty olona

Sambava : “Infirmier” nanao fandidiana marary tao an-tranony, nahafaty olona

Mpitsabo mpanampy iray tsy miankina nanao fandidiana marary tao an-tranony, tany amin’ny Fokontany Antognopahitra Kaominina ambanivohitry Bemanevika, Distrikan’i Sambava, ny alatsinainy 22 oktobra teo, tokony tamin’ny enina ora hariva, no nahafaty raim-pianakaviana iray marariny izay notsaboiny nanomboka ny alakamisy lasa teo, ary nakany vola sivy hetsy ariary. Raha vao naheno ny tranga ny avy ao amin’ny Sampandraharaham-paritry ny Fahasalamana Sava, dia taitra ary nandefa iraka avy hatrany nanao fitsirihana ny razana niaraka tamin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny “Poste Avancé”-n’ny Zandarimaria Anjagnoveratra, afak’omaly, tamin’ny 8ora maraina. Nosamborina avy hatrany ity mpitsabo mpanampy namono olona ity.

Nokarohina efa hatry ny ela. Teny an-dalana hiampita ny renirano Sambava anefa dia nitsoaka izy, ka raikitra avy hatrany ny fanenjehana azy. Tsy lasa lavitra ity “infirmier” nisandoka andraikitra ity dia saron’ireo Zandary telo lahy niara-dia taminy. Aorian’ny famotorana dia hatolotra ny Fitsarana Ambaratonga voalohany ao Antalaha izy.  “ Olona efa notadiavinay hatry ny ela amin’ny zavatra tsy mety ataony ato anatin’ny Faritra ity milaza ho “infirmier” ity, ary iray volana izay izy no avy nanatitra olona nodidiany ihany koa tetsy amin’ny CHRR Besopaka. Taorian’izay dia nitsoaka izy ka izao vao tratra izao”, raha ny fanazavan’ny Médecin Inspecteur Sambava, Dr Volamiharana Adélaïde. Raha ny fantatra, dia ny volana oktobra 2016 ity mitonona ho mpitsabo mpanampy ity no tonga tany Sambava, ary mahay mandresy lahatra ny olona any ambanivohitra manaiky hodidiany izy, raha tokony ho any amin’ny hopitaly ihany ny fandidiana rehetra.

Eric Manitrisa

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité Google Ads.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici