Jiolahy iray isan’ireo nanafika ny “botika” iray tany amin’iny faritra Sambava iny no voasambotry ny fokonolona, ny alarobia lasa teo. Tsy nisy alaharo fa avy hatrany dia nianjeran’ny hatezeram-bahoaka ity farany. Na izany aza anefa, dia mba tsy tonga hatrany amin’ny fanesorana ny ainy izany. Rehefa samy afa-po tamin’ny daroka sy vono teo ireo fokonolona, dia natolotra ny mpitandro filaminana tany an-toerana ity olon-dratsy ity. Raha ny zava-nitranga tokoa, dia nisy nanafika ny “kiosque” iray tao an-tampon-tanana tao. Telo lahy izy ireo, raha ny fampitam-baovao azo, izay mody nilaza ho mpanjifa mila fahana. Namoaka fitaovam-piadiana avy hatrany anefa ireto farany, ary nandrahona ireo olona tao. Vola manodidina ny iray tapitrisa ariary latsaka teo ho eo no lasan’izy ireo tamin’izany. Tsy nihanona fotsiny tamin’ny fijerena ireo fokonolona no nandeha nitsoaka ireto farany, fa niroso avy hatrany tamin’ny fanenjehana ihany koa ka nisian’ireo olon-dratsy iray voasambotra io. Tafaporitsaka kosa ireo namany hafa, izay karohin’ireo mpitandro filaminana fatratra amin’izao fotoana izao.
m.L