- Publicité -
samedi, juin 21, 2025
AccueilFaits-DiversSambava : Jiolahy rain-dahiny nitsoaka ny fonja

Sambava : Jiolahy rain-dahiny nitsoaka ny fonja

Jiolahy maromaro no indray tafatsoaka ny fonja nitazomana azy tao Sambava ny alin’ny talata lasa teo. Anisan’izany ny jiolahy rain-dahiny, fanta-daza eo amin’ny resaka fanafihana mitam-piadiana. Raha ny fampitam-baovao azo dia tamin’ny alalan’ny lavaka nataon’izy ireo no nahafahan’ireto voafonja ireto nitsoaka. Niaraka tamin’ireo namany maromaro voatazona tao amin’ny tranomaizina tao amin’ity fonja ity mantsy, dia niezaka ny nandavaka tsikelikely ny rindrina izy ireo. Rindrina izay tafavoaka avy hatrany any ivelany. Ny alin’ny talata io dia omby olona iray ny lavaka nataon’izy ireo ka nanararaotra nitsoaka ireto voafonja ireto. Efa somary elaela ihany, raha ny fampitam-baovao avy any an-toerana hatrany, vao voamarika fa nisy gadra tafatsoaka. Raikitra avy hatrany savahao tao an-tampon-tanan’i renivohitr’i Sava tao. Nisy tamin’ireo gadra tafatsoaka no voasambotr’ireo mpitandro filaminana avy hatrany. Ilay rain-dahiny kosa no tafaporitsaka ary mirenireny any. Marihana, hoy hatrany ny vaovao fa mbola mifatotra rojovy ny tanan’ity gadra ity. Mbola mitohy tanteraka ny hazalambo ao Sava ao, hikarohana ireto gadra nitsoaka ireto.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici