Ravan’ny mpitandro ny filaminana ny andiana adolantsento izay lasa andian-jiolahy. Izy ireo dia manao sinto-mahery sy fisandohana ary rehefa nandeha ny fanadihadiana, dia fantatra fa mpikamban’ny “Foroche”. Tamin’ity indray mitoraka ity, dia olona manana havana marary eny amin’ny hopitaly ary hanatitra vola mifandraika amin’ny fitsaboana no nataon’ireo andian-jiolahy lasibatra. Dia nahomby tokoa izany, satria lasa avokoa ny vola tokony hidirana hopitaly. Rehefa nandeha ny fanadihadiana sy ny fisamborana, dia mbola ankizy tsy ampy taona ny tena mpikambana eo anivon’ilay tambajotra. Manodidina ny 16 taona izy ireo ary efa misy mpamerin-keloka aza. Efa nisy nigadra in-telo, raha araka ny fanamarihana azo avy any Sambava, tamin’ireo tratra. Ny vondrona foroche dia efa am-polon-taonany maro no nisy tany amin’iny faritra avaratry ny Nosy iny kanefa tsy mety fantatra izay tena ao ambadikany marina sy ny tena antom-pisiany. Ireo zatovo no tena ampidirina ao anatiny ary hatao manatontosana heloka sy heloka bevava rehefa avy eo. Efa nisy fotoana nosamborina ny maro tamin’izy ireo ary nalefa niditra tamin’ny toerana fitaizana zaza maditra taty An-drenivohitra, nentina tamin’ny fiaramanidin’ny filoham-pirenena tamin’izany fotoana. Saingy tsy nahafoana ny fitohizan’ilay Foroche izany rehetra izany. Mila fantarina ny tena antony ary izay angamba no hahafahana mamongotra azy.
D.R