- Publicité SW45 -
dimanche, mai 26, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversSambava : Lehilahy mamon-drongony dia niray tamin’ny taolam-paty

Sambava : Lehilahy mamon-drongony dia niray tamin’ny taolam-paty

Ilay nahavanon-doza toy ny adala.

Novakiany ny fasana. Tafiditra tao anatiny izy ary ny olona sendra nandalo no naheno feo mikorotandrotana ka nahataitra ny sain’ireo. Nisy koa olona izay nanao fasana teo amin’ny manodidina ary niara-naheno teo. Tamin’ny voalohany dia noheverina fa voalavo izany. Rehefa nivadika ho feon’olona amin’izay dia matotoa avy hatrany no tao anatin’ny sain’ireo olona izay naheno. Natahotra ihany saingy tsy nihemotra ireo vatan-dehilahy izay sady liana ihany ny namantatra ny tena zava-misy ao anatin’ilay fasana. Akory ny hagagana rehefa tafiditra tao fa lehilahy iray mbola tanora izay niray tamin’ny taolam-paty izay navoakany tao anaty lamba no hita. Nantsoina ny mpitandro ny filaminana ary nampandrenesina ny kaominina sy ny fokontany. Niara-tonga teo ny manam-pahefana ary rehefa nojerena tokoa dia tena nitombina ny tatitra azon’izy ireo. Nosamborina ary ilay lehilahy ary rehefa nohadihadiana dia hita fa olona mamon-drongony. Na izany aza dia ahiana ihany ho mody adala kanefa mety ho mpangalatra taolam-paty ka rehefa hitany fa tsy misy irika intsony dia nanaovany sarimihetsika. Ilay taolam-balo mantsy efa nivoaka tao anaty lamba ary tsy vitan’izany fa nahatony teo amin’ny fidirana ny fasana. Izany hoe azo heverina ny mety ho nitaterany azy nivoaka raha tsy nisy olona nahita. Niely tao an-tanàna an’Ambahala ity zava-nitranga ity ary samy nanana ny fiheviny ny olona. Tao no nilaza fa mety ho mpamosavy nentin-javatra ilay lehilahy ary dia niditra tao anaty fasana. Dia amin’ny antoandro be nanahary ve hoy ny sasany nametram-panontaniana. Nisy koa ny nilaza fa noho ny rongony be loatra. Ny fihevitra farany dia ny halatra taolam-paty izay nosaromana tao anaty mody adala rehefa tratra. Nitohy omaly ny fanadihadian’ny mpitandro ny filaminana momba ity tranga hafakely ity.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici